Fitoriana Filazantsara

2016-01-20-rev-hery
Vén. Hery handeha ho any amin’ny fiangonana manodidina an’i Sakaraha

Ny diosesy dia mampianatra, maniraka ary manohana ireo pretra sy ireo Evanjelista manerana ny faritry ny diosesy, lavitra ny toerana aleha ary mahatratra hatramin’ny dia  Andro miala ny lkatedraly.

Mampiasa ireo fitaovana omen’ny diosesy ireo Evanjelista amin’ny fitoriana, anatin’izany ny filma « Jesoa » voadika amin’ny fiteny mahazatra sy fianarana baiboly amin’ny alalan’ny feo ary henoina amin’ny fitaovana toy ny radio kely.

Ankoatra ireo, dia manampy amin’ny fanaganana trano fivavahana koa ny diosesy mba ahafahan’ny olona miangona mihaino ny filazantsara. Ary anjatony insan-taona ireo olona mandray ny sakramentan’ny batisa eto amin’ny diosesy.

Fanaovana batisa
Fanaovana kaonfirmasiona tao Amboasary Atsimo

Confirmation at Betioky - 2016
Kaofirmasiona tao Betioky
Kaonfirmasiona tao amin’ny EEM Santa Lioka Ankilifaly Toliara

Fananganana trano fivavahana :

Efa mahatratra 100 mahery ny isan’ny finagonana ato amin’ny Diosesey Toliara izay miparitaka amin’ny distrika 4 izay misy paroasy 10. Miezaka manangana trano fivavahana ny diosesy satria mbola maro ireo fiangonana no mivavaka anaty tranon’ny kristiana na trano hofaina na  trano sekoly, ary misy koa ireo eo ambany hazo.

Maneho fankasitrahana manokana ny ICM (International Cooperating Ministries) ny Diosesy, izy ireo izay manohy ny famatsiam-bola koa amin’ny fampitaovana izay tena ilaina koa amin’ireo trano fivavahana.

Fanofanana amin’ny fitoriana filazantsara :

Mba ho fampitomboana ny fiangonana dia tena tanjona fototra ny fitoriana ny filazan-tsara. Amin’izany dia mitohy ny fanofanana ireo Evanjelista  ho an’ny Diosesy Toliara manokana, fa misy koa ho an’ireo diosesy telo hafa (Mahajanga, Toamasina ary Fianarantsoa). Azo lazaina fa ny Diosesy Toliara no mpitarika ny fanomanana ireo Evanjelista eto Madagasikara.

Mitohy mivavaka isika mba hitombo ny fanjakan’Andriamanitra ary ho tanteraka ny sitrapony eto an-tany tahaka ny any an-danitra.

Semirera Santa Patrika :

Santa Patrika no anaran’ny semineran’ny diosesy.

Mivory ivelan’ny trano ambany hazo ny mpianatra mba tsy mafana loatra


Ankoatra ny fanofanana Evanjelista, ny kolejy dia manomana koa ireo kandida amin’ny ordinasiona. Rehefa nandalo herintaona na roa taona ao amin’ny kolejy ireto farany dia manohy ny fianarany any amin’ny oniversite any Antananarivo (renivohitra)

Ankehitriny dia ny Fiangonana Episkopaly Santa Gregory, Boca, Raton, Floride no miantoka ny vatsim-pianaran’ireo mpianatra.

Notendrena ho « doyen » sy ho talen’ny seminera Santa Patrika ny Rév. Adam Boulter ny taona 2019.

Adam Boulter sy ny Evekan’ny Eropa, Robert Mclnnes

Fanofanana ireo katekista :

Voninahitra ho an’Andriamanitra satria mbola afaka manohy ny fiahiana ny fanofanana ireo mpianatra  katekista sy mpiandraikitra laika ny diosesy. Ireo katekista ireo dia manampy betsaka amin’ny fanamorana ny asan’ireo presbytera izay miandraikitra hatramin’ny fiangonana 25 isa.

Hita ao atsimon'i Madagasikara