Fanabeazana

Ny fanabeazana dia fitaovana iray mba ahafahana manao mpianatra. Ary mba hahatanteraka izany andraikitra mpanao mpianatra izany dia misy ireo fiofanana mitohy izay afaka rantovona ao Toliara nanomboka ny avrily 2007.

Ny Diosesy dia nanokana tolo-piofanana mifanaraka amin’ny filan’ny olon-dehibe sy tanora ary koa ankizy mba hanomezana azy ireo fahalalana sy fitaovana enti-miasa. Amin’izany ny diosesy dia manomana fiofanana sy atrikasa manerana ny faritra, misy koa ny fiantohana ireo ankizy mba ahafahan’izy ireo miditra antsekoly.

Maro ireo mpitsidika avy any andafin-driaka mitsidika ny diosesy izay tonga mizara ny fahalalany, ny fitiavana sy ny fahaizana ny fianarana ny tenin’Andriamanitra, ny vavaka fanasitranana, fifantohana mangina, nahandro, zaitra, ny fahaizana informatika, ny zaridaina, mitantana orinasa madinika, sns.

Conférence des Disciples 2024

Sekoly biblika Santa Patrika

Ny Sekoly Biblika Santa Patrika ao amin’y faritry ny katedraly Andranomena Toliara no anofanana ireo mpianatra ho evanjelistra ary koa ireo ho diakona.

Misy koa eo akaikiny ny trano kilasy mandry ho an’ny mpianatra.

Le programme de formation ‘Enraciné en Jésus’

Ny mamaka ao amin’i Jesoa izay niorina ntany Angletera sy Tanzania tamin’ny aogositra 2017, dia manana tanjona mba hanofana ireo mpampianatra Sekoly Alahady. Efa niroso tamin’ny fanatanterahana ny programa ny Diosesy ho toy ny programan’ny mpianatra mahatoky ary efa manerana ny paroasy no anaovana izany. Raha te hahalala misimisy kokoa dia vakio ity lahatsoratra.

Rév. Florent no notendrana handrindra ny fampiofanana ny mpianatra.

Mapiasa ny Zoom izy ho an’ireo paroasy izay lavitra.

Koa noho izany dia manaova izay zotom-po rehetra kosa hianareo, ka amin’ ny finoanareo dia manehoa fahatanjahan-tsaina, ary amin’ ny fahatanjahan-tsainareo dia fahalalana, ary amin’ ny fahalalanareo dia fahononam-po, ary amin’ ny fahononam-ponareo dia faharetana, ary amin’ ny faharetanareo dia toe-panahy araka an’ Andriamanitra, ary amin’ ny toe-panahinareo araka an’ Andriamanitra dia fitiavana ny rahalahy, ary amin’ ny fitiavanareo ny rahalahy dia fitiavana ny olona rehetra. Fa raha anananareo izany zavatra izany, sady anananareo betsaka, dia tsy avelan’ izany ho malaina na tsy hahavokatra hianareo amin’ ny fahalalana tsara an’ i Jesosy Kristy Tompontsika.
2 Petera : 1 :5-8.

Ireo sekoly eto amin’ny Diosesy

Manana sekoly efatra ny diosesy amin’izao fotoana izao :
Ny Sekoly Mahaboboka ao amin’ny Paroasy Sakaraha ary ny Sekoly
Ny Sekoly fanabéazana fototra ao Tsimahavaokely Paroasy Morondava
Ny Sekolin’ny Fahasoavana ao Manamby, Paroasy Mahabo.
Ny Sekoly Ambohimaveloma, Paroasy Fenoarivo

Sekoly “Ed McNamara” , Mahaboboka
Sekoly Anglikana Santa Paoly Tsimahavaokely (EAST) Morondava
Ny Sekolin’ny Fahasoavana ao Manamby
Ambohimavelona

Ny tetik’asa fiantohana ankizy

Misy koa ny programa fiantohana (parrainage) ho an’ny mpianatra izay iandraiketan’ny Departemanta Fanabeazana. Izany dia ahafahana miantoka zaza amin’ny fianarany hahatonga azy ireo hiala amin’ny fahantrana ary hanatsara ny fari-pahaizany indrindra moa fa ny fahafahany miditra amin’ny sehatry ny asa.

Tsindrio eto raha haka ny pdf mahakasika ny tetikasa fiantohana ankizy na mamaky bebe kokoa momba ny Fiantokana ankizy Toliara.

Sekoly Alahady

Ny Rév. Nolavy dia nanoratra ny faahavitrihana sy ny maha zava-dehibe ny fampianarana sekoly alahady eo anivon’ny diosesy.

Hita ao atsimon'i Madagasikara