Ivontoerana ho an’ny vehivavy

Ao anatin’ny toerana misy ny Diosesy Toliara, ao Andranomena Toliara II, no miorona ny ivontoerana ho an’ny vehivavy.

Notokanana tamin’ny 4 septambra 2016 ny ivontoerana, nandridra ny kaonferansa nasionaly ho an’ny vehivavy ary Eveka 3 no tonga nanatrika izany.

Trano Filongoa ny anarana entin’ny ivontoeran

Ivelan’ny Trano Filongoa (Famaranana ny fiofana « Days for girls »-2018)
Ao anaty ivontoernan’ny vehivavy : fiofanana « Days for Girls »-2018

Mpandrindra mpanampy ao amin’ny Foibem-behivavy sy ny DfG i Rev. Nolavy, ary izy no manara-maso ny asan’ny DfG, ao anatin’izany ny toerana hanaovana ny fitsinjarana sy ny fomba hivarotana tsara ny fitaovana.

Ramatoa Harisoa no manara-maso ny fanjairana DfG ary mitazona ny firaketana momba ny kaonty ho an’ny DfG sy ny hetsika hafa rehetra izay atao ao amin’ny Foibem-behivavy.

Lakozian’ny ivontoeran’ny vehivavy

Vehivavy mianatra amboradara ao amin’ny Foibem-behivavy, nampianarin’i Neny Holy.

Efa vonona koa ny tranom-bahiny :

Ny hetsika isan-kerinandro ao amin’ny Trano Filongoa dia ahitana fampianarana Baiboly sy vavaka, fampianarana mahandro sy fanatanjahan-tena, ary koa ny asa tanana, fanjairana kojakoja Days for Girls, lobaka mpitondra fivavahana, chasubles, stoles sy albs ary sakafo ho an’ny fihaonambe, Synoda sns.

Vehivavy mianatra amboradara ao amin’ny Foibem-behivavy, nampianarin’i Neny Holy

Sakafo antoandro nandrintra ny fiofanana « Days for Girls » tao amin’ny ivotoerana
Manao « crochet » amin’ny « plarn » (harona plastika netezana lavalava anamboarana tady) sy fanamboarana perla taratasy hanaovana vakana.
Lucia eo ampanamboarana « cartes »
Vakana vita amin’ny perla taratasy
Lucia sy ireo « cartes » vita amin’ny akora nohavaozina sy natoraly

Hita ao atsimon'i Madagasikara