NY FAMPIANARANA ETO MADAGASIKARA

Ny fampianarana mamaky teny sy manoratra : ao amin’ny tapany Atsimon’i Madagasikara no misy ny Diosesy Toliara, izay faritra isan’ny mahantra. Olon-dehibe iray ao anatin’ny telo dia tsy mahay mamaky teny sy manoratra, ary 40% amin’ireo dia vehivavy. Na izany aza anefa dia hita ihany ny fivoarana. Manodidina ny 40% n’ny mponina dia ankizy 14 taona no midina. Ankehitriny dia mahatratra 80% ny tahan’ny tsy fahaizana mamaky teny sy manoratra ho an’ny tanora lahy eo nelanelan’ny 15 sy 24 taona. Ho an’ny tanora vavy kosa dia mahatratra 72% izany. Miova be anefa ireo isa ireo eo amin’ny tanana ambonivolo sy andrenivohitra. Ny olona iray dia azo lazaina fa afaka amin’ny tsy fahaizana mamaky teny sy manoratra rehefa  afaka mahazo ny dikan’ny fehezanteny tsotra eo amin’ny fiainany andavan’andro.

Manao ahoana ny fihodin’ny rafi-pampianarana ?

Ny zaza 6 ka hatramin’ny 14 taona dia tsy maintsy mianatra eto Madagasika ho an’ny toerana misy sekoly. Matetika anefa dia tsy misy ny sekoly na koa vitsy ary misy ireo sekoly izay tsy ahitana afatsy lakilasy 3 ho an’ny mpianatra anjatony.

Le système est composé de trois niveaux : L’école primaire suit un programme de cinq ans destiné aux enfants de 6 à 11 ans. Les cours sont dispensés en malgache et en français. Les enfants de dernière année doivent passer l’examen national appelé CEPE pour entrer au collège.
L’école secondaire se compose de deux parties : le collège suit un programme de quatre ans destiné aux élèves de 12 à 15 ans, qui doivent

Ny rafi-pampianarana dia misy ambaratonga telo:
Ny fanabeazana fototra izay manaraka ny programa 5 taona ho an’ny zaza 6 – 11 taona. Ny teny malagasy sy frantsay no ampiasaina amin’ny fampianarana. Ny mpianatra amin’ny taona faha-5 (T5) dia miatrika ny fanadinam-panjakana CEPE sady hidirana ao amin’ny ambaratonga  kolejy.
Ny fanabeazana ambaratonga faharoa dia mizara roa : ny kolejy izay arahin’ny mpianatra mandritra ny efatra taona, ary amin’ny farany dia mandalo ny fanadinam-panjakana BEPC sady hidirana ao amin’ny « lycée ».
Ny « Lycée » na dingana faharoa amin’ny ambaratonga faharoa dia maharitra telo taona. Any amin’ny farany dia mandalo ny fanadinam-panjakana bakalorea ny mpianatra izay ahafahana miditra eny amin’ny oniversite.

Mahavita ny fianarany daholo ve ny ankizy rehetra ? Maro amin’ireo ankizy no mitsoaka an-daharana amin’ny fianarana noho ny tsy fahafahan’ny ray aman-dreny miantoka ny saram-pianarana sy ny fitaovana, eo koa ny ny ankizy izay tsy maintsy manampy ny ankohonany amin’ny asa andavan’andro toy ny fatsakana rano, miarakandro ny biby fiompy, mamboly. Isaky ny kilasy dia misy elanelana be ny taonan’ny mpianatra. Ohatra, matetika ahitana tanora 15-22 taona ao amin’ny kilasy famaranana ny ambaratonga faharoa.

Andro fianarana an-tsekoly:

Tontolo andro ny fampianarana ! Manomboka ny alatsinainy ka hatramin’ny zoma ary misy fiantoana ny alarobia hariva sy ny sabotsy tontolo. Mianatra an-tsekoly ny ankizy ny maraina amin’ny 6 ora sy sasany hatramin’ny 12 ora ary miverina ny hariva amin’ny 2 ora tolakandro ka hatramin’ny 5 ora na 6 ora hariva..

Isan’andro dia miala ny trano fonenany amin’ny 6 ora maraina ny ankizy hamonjy ny sekoly. Matetika dia manao andiany miara-mandeha tongotra kilaometatra maro izy ireo, ary misy koa ireo zokinjokiny mandeha bisikileta ho an’ireo manana izany.

Amin’ny fanombohan’ny fianarana dia madika ny lesona ao anaty kahie ny mpianatra, ny mpampianatra dia efa mandika izany mialoha eo amin’ny tabilao. TENA AN’ISAN’NY FITAOVANA TSY AMPY NY BOKY HO AN’NY ANKABEAZAN’NY SEKOLY ETO MADAGASIKARA ary ny fampianarana dia atao am-bava sy an-tsoratra ary ny fitadidiana. Rehefa tonga any antranony ny ankizy aorian’ny firavana dia mbola manatanteraka asa ao antrano ary koa ny entimody alohan’ny hatoriana.

Mandeha misakafo any an-tranony ny ankizy ny antoandro, ary miverina indray ny hariva amin’ny 2 ora eo. Ho an’ny ambaratonga voalohany (EPP) dia mirava amin’ny 4 ora na 5 ora ny hariva. ho an’ireo mpianatra ambaratonga faharoa dia ny kolejy sy ny lycée kosa dia eo amin’ny 6 ora hariva no mirava ary tonga any an-tranony amin’ny 6 ora 30 na 7 ora eo. Na dia efa tara aza izy ireo miditra ny trano ny hariva, dia mbola manao ny entimody sy raharaha ao antrano alohan’ny hatory.

Cliquez ici pour découvrir comment parrainer un enfant dans une école privée.

Cliquez ici pour découvrir comment fournir des fournitures permettant aux enfants de fréquenter les écoles publiques.

Hita ao atsimon'i Madagasikara