Ny Toerana Misy Ny Diosesy Toliara

Ny Diosesy Toliara dia miasa amin’ny tapany Atsimon’i Madagasika izay manerana ny Faritany Toliara.

Ny Faritany Toliara moa dia mitovy anarana ihany amin’ny tanànan’ny Toliara izay sady renivohitry ny Faritany..

Mahakasika velaran-tany 161 405 km² (62 319 miles toradroa) ny Diosesy Toliara, izany hoe latsaka kely ny velaran’ny Florida na Wisconsin ary lehibe kokoa noho Angletera sy ny Pays de Galles mitambatra.

Mandritra ny maintany dia enina andro no andehanana (fiara) amin’ny tendrony roa amin’ny faritra misy ny Diosesy Toliara ary mamakivaky lalana tena ratsy amin’ny ankamaroany. Rehefa fahavaratra (asara) kosa dia sarotra ny  andehanan’ny fiara amin’ny ankamaroan’ny faritra.

Hita ao atsimon'i Madagasikara