MISIONERA ETO AMIN’NY DIOSESY

Misaotra an’Andriamanitra isika fa manana misionera tena havanana ary miasa maharitra eto an’ivon’ny Diosesy.

Caleb, Adam, Avril sy Anna Friend

I Adam, Avril, Caleb ary i Anna Friend dia misionera miaraka amin’ny CMS (Church Mission Society) Australie. Any Antananarivo izy ireo amin’izao fotoana izao, mianatra ny teny gasy.

Faly tokoa izy ireo miandraikitra amin’ny Diosezin’ny Toliara amin’ny sokajy roa lehibe :

Voalohany indrindra, manampy ny asan’ny kolejy teolojikan’ny Santa Patrika. I Adam, dia mampianatra ny fianarana baiboly ary i Avril kosa, dia mandraikitra irao mpianatra amin’ny maha mpitsabo azy ary mampiofana ireo mpianatra vavy sy ny vadin’ny mpianatra lahy.

Manarak’izany, eo amin’ny sehatry ny Diosezy, manohana i Eveka Samitiana amin’ny ezaka ataony mba hitombo tsara amin’ny fanarahan-dia an Jesoa Tompontsika.

Jacky Lowe

Jacky Lowe dia misionera miaraka amin’ny SAMS (Society of Anglican Missionaries and Senders). Tonga nipetraka ary niasa tao amin’ny vondron’ny vehivavy izy, nanomboka tam taona valo ambin’ny folo sy roa arivo izy ka hatramin’ny taona roapolo sy roa arivo ary maniry hiverina izy amin ity taona valo amby roapolo sy roa arivo ity, izy.

Hita ao atsimon'i Madagasikara