Ny Sekoly biblika Santa Patrika

Ny sekoly biblika Santa Patrika dia niorina ao anatin’ny faritry ny Katedraly ary ao amin’ny trano natokana ho an’ny fampianarana. Manofana lehilahy sy vehivavy ho evanjelista na koa ireo kandida ho any amin’ny seminera ny sekoly.

Misy koa ireo Diosesy hafa eto Madagasikara izay mandefa ireo mpianany hianatra ao amin’ny sekolin’ny Diosesy Toliara.

Fampianarana ivelan’ny trano noho ny andro mafana


Manofana ireo mpitarika vaovaon’ny fiangonana
Tao anatin’ny roapolo taona farany dia niriborobo fatratra ny Diosesy Toliara, nefa izany fahombiazana sy fitomboana izany dia misedra tsy fahampiana mpitondra fiangonana sy mpitarika laika voaofana sy manana ny fahaizana ilaina. Amin’ny ankapobeny dia ambany ny farim-pianaran’ny olona, na izany aza dia maro ireo kandida mpirotsaka ho mpiasa laika sy hiroso amin’ny ordinasiona ; ny fanofanana azy ireo dia tena miantoka ny fitohizan’ny fiainan’ny diosesy.

Ny sekoly biblika dia manomana mandritra ny herintaona na roa taona ireo mpianatra ho presbytera hianatra any amin’ny seminera. Rehefa vonona izy ireo dia alefan’ny Diosesy any amin’ny oniversite any andrenivohitra hianatra mandritra ny telo taona.

Tranomboky sy fitaovam-pampianarana
Manana tombony ny sekoly amin’ny fanana olona maro afaka manao ny fampianarana. Na izany aza dia hita fa tsy ampy ny fitaovam-pampianarana indrindra fa ny boky teolojika amin’ny fiteny malagasy sy frantsay. Efa noeritreretina ny hametrahana toerana manokana hoan’ny boky, birao ary koa ireo fitaovam-pampianarana fototra hafa.

Io tranomboky io dia ampiasan’ireo mpianatra mandranto fahalalana ho lasa mpiasa laika sy ireo hiroso amin’ny ordinasiona ; nefa azon’ireo mpitarika fiangonana sy kerje amperin’asa anovozana fahalalana koa.

Fanatevenam-piofanana ho an’ireo mpitarika fiangonana amperin’asa.
Maro amin’ireo mpitondra fiangonana amperin’asa no manana filana handalina ny fahalalan’izy ireo , izany dia atao ho fanavaozana ny fahaizany amin’ny alalan’ny fampiofanana fanampiny.

Ny fiofanana fanampiny koa dia ilaina ho an’ireo mpitarika ny fiangonana mihevitra ny hitana andraikitra vaovao eo an’ivon’ny fiangonana, toy ny klerje zokiny izay tsy maintsy miofana amin’ireo andraikitra sy asa vaovao. Midadasika ny diosesy Toliara ary anisan’ny zava-dehibe ho an’ireo mpitari-mpiangonana ny fihaonan’izy ireo izay ahafahana manao fifampizarana traikefa. Ilaina araka izany ny fanaovana kaoferansa sy fisitahana mba ahafahana manavao ny fianarana sy mandalina ny finoana.

Fampianarana ireo mpiangona
Matetika dia monina amin’ny toerana lavitra ny vahoakan’Andriamanitra ato amin’ny Diosesy Toliara, izy ireo izay mivelona amin’ny fambolena sy fiompina na koa ny jono. Ilaina anefa ny fanabeazana fototra na amin’ny lafiny famokarana maharitra izany  na koa ny fahaizana manoratra sy mamaky teny. Maro ireo olom-baovao tonga kristiana avy amin’ny  fanaovana mpianatra, izy ireo indray avy eo no mampianatra ny hafa izay isan’ny zava-dehibe amin’ny programam-pampianarana ny laika eto amin’ny Diosesy.

Doyen sady talen’ny sekoly Sekoly biblika Santa Patrika.
Tamin’ny taona 2019 no notendren’I Eveka Todd hoe o amin’ny toeran’ny “Doyen” sady Talen’ny sekoly biblika Santa Patrika I Rév. Adam Boulter.

Rév. Adam Boulter

Tamin’ny faran’ny volana aogositra 2019 no tnga tao Toliara i Rév. Adam Boulter sy ny fianankaviany.

Hita ao atsimon'i Madagasikara