Ny Diosesy dia natsangan’ny Eveka Todd sy ny Rev Dr Patsy McGregor. Ny 14 martsa 2021 dia voafidy ho Eveka manaraka ny Eveka Mpanampy, Rt Rev Dr Samitiana Jhonson RAZAFINDRALAMBO ary napetraka ho Eveka faha-2 ao Toliara ny 25 aprily 2021. Ny 9 Novambra 2025 no nanokanana ny Eveka mpanampy tao Toliara ny Rt Rev OSORO Victor Aunda.
Ny diosezy dia tarihin’ny Eveka roa, ampian’ny mpitondra fivavahana sy ny vadiny.
Ankoatra ireo, dia misy koa ireo Evanjelista, mpianatra ho Evanjeliste ary koa ireo seminarista miara-manatanteraka ny fampielezana ny Filazantsara, ary ireo Katekista marobe izay miandraikitra ny raharaha-mpiangonana ary mampianatra ny olona hiaina ny fiainana kristiana.
Ireo mpiasan’ny fandraharahana eo an’ivon’ny Diosesy.
Nahatratra 140 ny isan’ny fiangonana teto amin’ny Diosesy Toliara tamin’ny Janoary 2024, ary mbola andalam-pitomboana izany.
Misitraka fanampiana avy amin’olona na koa ireo fikambanana/rafitra avy any ivelany ny Diosesy, indrindra fa ireo misionera mandalo vetivety sy maharitra ela. Ao koa ireo mpitsidika ny Diosesy izay mizara ny finoany amin’ny maha kristiana ary mizara ihany koa ny fahaizany sy ny talentany.