Longo EEM Toliara

Iraka : Ireo mpinamana miaradia

Ny Vina : Ny vinanay dia ny fanaovana namana sy mpiara-miombon’antoka maneran-tany miaraka amin’ny Diosesy Toliara anaty fisandratana. Ny tanjona dia ny hahatanteraka ny irak’Andriamanitra ao Madagasikara sy amin’izao tontolo izao.

Ny fifandraisana amin’ireo fiangonana Toliara dia fikambanan’ireo mpilatsaka an-tsitrapo mba hampiroboroboana ny fifandraisana amin’ny Diosesy ary koa mba ahafahan’ny Diosesy manatanteraka ny vinany « Mitombo, Mandroso ao amin’i Kristy ». Izahay dia miasa miaraka sy eo akaikin’ireo olon’ny Diosesy.

Izahay dia mivavaka sy manampy ny Diosesy amin’ireo ezaka ataony ampandrosoana ny fanjakan’Andriamanitra any amin’ny faritra atsimon’i Madagasikara. Izahay dia manampy amin’ny alalan’ny fizarana hevitra sy fahaizana amin’ny e-mail, antso Skype na Zoom, fitsidihana (araka izay azo atao) ary koa fanomezana.

Longo EEM Toliara no anarana malagasy iantsoana ny fikambanana:

  • Longo dia midika hoe Havana na namana
  • EEM na Eklesia Episkopaly Malagasy (izay mpikambana ao amin’ny firaisam-be anglikana manerantany)
  • Toliara dia farim-piadidianan’ny Diosesy Anglikana ao amin’ny faritra atsimon’ny Madagasikara

Manasa anao izahay hiara-dia aminay

« Ary isaky ny mivavaka ho anareo rehetra aho, dia manao izany amin-kafaliana, noho ianareo niray hina nanampy ahy hampandroso ny Vaovao Mahafaly hatramin’ny andro voalohany ka mandraka ankehitriny. Matoky aho fa Andriamanitra izay nanomboka asa tsara tao aminareo, dia hanohy izany hatrany ka hahatanteraka azy amin’ny  andro hiavian’i Kristy Jesoa »

Filipiana 1 :4-6

Aza misalasala manontany anay rah ate hahafantatra misimisy kokoa

Hita ao atsimon'i Madagasikara