Days for girls (Malagasy)

Tamin’ny 2016, noho ny fanampian’ny mpanjaitra tao Northbrook,Illinois ary tany amin’ny fiangonan’ireo illinoine, ny orin’asa ‘’Days for Girls ‘’ dia natsangana ao amin’ny tranon’ny vehivavy. Raha tsisy ireo fitaovam-pidiovam-behivavy, ireo tovovavy dia tapaka fianarana herinandro iray ao anatin’ny iray volana raha ampitahana amin’ny tovolahy : Ny vehivavy tsy afaka miasa izay miteraka fihenan’ny sakafom-pianakaviana. Raha te – ahafantatra bebe kokoa ny maneran-tany dia ‘’Days for Girls ‘’ (DfG) maneran-tany dia tsindrio eto.

Ny masinina fanjairana nomena sy ny fitaovana dia nalefa ao Toliara mba ahafahan’ny vehivavy manamboatra ireo fitaovana ; ny tombotsoa dia fanamboarana ny fitaovana DfG hoan’ny vehivavy sy ny tovovavy sady fanomezana asa.

Ireo vahiny mitsidika eto Madagasikara afaka mividy ny fitaovana mialoha izay afaka zaraina amin’ny vehivavy sy tovovavy monina ao, ary ny mponina afaka mividy mivantana amin’ny ariary.

Tena mahafinaritra ny mahita ny fiovana hita amin’ny fahalalan’ny vehivavy sy ny tovovavy hoe ahoana ny fandehanan’ny fotoanany sy ahoana ny fandehanan’ny fiodinan’ny andro hatramin’ny fizarana ny mombamomban’ny karatra DfG tao amin’ny Katedraly taorian’ny fivavahana maraina ! Tantely( izay nanazava) dia tena nahafinaritran’ireo amin’izao fa manaraka ny fiofanana ho mampiteraka.

Manana ny akora Malagasy ‘’Flipcharts’’ na boky fampianarana ny mpitantana ny DfG ny fahasalaman’ny vehivavy. Fanamorana ny fampianarana izany.

Tamin’ny 2018, nampiasa ny ‘’ flipcharts ‘’ na boky fampianarana izahay mba hampiofanana ary afahan’ny vehivavy 35 hampianatra momban’ny fahasalamana sy fanadiovana ny DfG ary mba hanazavana ireo tombotsoan’ny fitaovana azo sasana.

Anjara lalao amin’ny vondrona kely , ny mpianatra mianatra ampihatra ny fiodinan’ny fadimbolana amin’ny alalan’ny tabilaon’ny andron’ny vehivavy .

Ireo vehivavy nampihatra izay fantany any amin’ireo fiangonana 13 sy tanana , tobi-pahasalamana 6 ary sekoly 1, ireo vehivavy sy tovovavy izay nihaino ary liana amin’ny fahazoany ny fitaovana amin’ny atsapaka tsisy sarany.

Nefa ireo vehivavy sy ireo tovovavy izay farany nahantra tsy afaka hividy ny vidin’ny fitaovana iray na dia efa antoniny azany vidiny ary ny fitoavana maharitra telo taona farafahakeliny. Afaka manome fanomezana ao amin’ny diosesy mba ahafahanay manome ireo mitady an’izany.

Mpandrindra mpanampy ao amin’ny Foibem-behivavy sy ny DfG i Rev. Nolavy, ary izy no manara-maso ny asan’ny DfG, ao anatin’izany ny toerana hanaovana ny fitsinjarana sy ny fomba hivarotana tsara ny fitaovana.

Ramatoa Harisoa no manara-maso ny fanjairana DfG ary mitazona ny firaketana momba ny kaonty ho an’ny DfG sy ny hetsika hafa rehetra izay atao ao amin’ny Foibem-behivavy.

Tamin’ny taona 2021 sy 2024, nahazo ny mari-pankasitrahana DfG Gold Standard ny vehivavy. Mba ahazoana io “certification io, dia tsy mantsy nanaporofo ireo vehivavy fa manajaitra ireo “kits” araka ny fepetra hentitra izay takian’ny “DfG”, mila mahay koa ny fitaovana fampianarana mahakasika ny fahasalamana sy ny fahadiovana an’ny “Ambassador for Women’s Health”, mitazona koa ny fanisana ary ny rejistra ny fizarana ireo “kits”

Ny “cetification Gold Standard” dia midika fa afaka mandray ny kaomandy “kits” avy amin’ireo olontsoatra na ONG, ao amin’ny tranokala an’ny “Day for Girls International, izay hozaraina eto Madagasikara. Ireo mpitsidoka dia afaka mandefa ny kaomandiny izay afaka zarain’izy ireo ihany na koa fanampiana ara-bola ny orinasa ka atao amin’ny anaran’izy ireo izany. Ireo mpanofana avy eo an-toerana dia afaka ampiasan’ny orinasa mba hampianatra ny fitaovana ho an’ny fahasalamana sy ny fahadiovana mandritra ny fizarana ny “kits”.

Ity orin’asa ity dia tsy vitan’ny manome asa ny vehivavy sy ny zavatra ilainy sy ny fianakaviany fa mbola nanome tanjona azy ihany koa. Misaotra an’Andriamanitra isika noho izany !

Raha mila fanazavana fanampiny mahakasika ny ‘’Days for Girls‘’ (andron’ny vehivavy). Fenoy azafady io toromarika etsy ambany io.

Raha te-hividy Fitaovana DfG, afaka mahita ireo vidin’ny fitaovana ary, ny taratasy fanamarinana etsy ambany.

Raha te hanao kaomandy ianao dia afaka mameno ny “bon de commande” izay afaka télécharger-nao eto. Avy eo afaka alefanao amin’ity adiresy mailaka ity ny takelaka avy nalaina sary na natao scan.

Ny fanomezana dia azo atao hanampiana ny asan’ny Days for Girls Enterprise avy any Etazonia na avy any UK

Hita ao atsimon'i Madagasikara