Tantaran’ny Diosesy Toliara


Fintina ny tantaran’ny Diosesy Toliara- Eklesia Episkopaly Malagasy

1971– Nisy ireo kristiana anglikana vitsivitsy izay nanao vondrom-bavaka tao an-tranon’i Dadabe sy Mamabe tao Toliara. Nanana finiavana izy ireo hanangana fiangonana anglikana taty amin’ny faritra Atsimon’i Madagasikara.

1989- Fahatongavan’ny Presbytera voalohany tany Toliara

1991- Nanomboka niasa teto Madagasikara tao Antananarivo ny fianankaviana McGregor

1999- Niorina ny fiangonana voalohany tany amin’ny faritra andrefan’i Madagasikara tao amin’ny tananan’i Morondava. Ny rév. Samitiana no nitarika ny service voalohany

2000- Fanatanterahana iraka fitoriana filazantsara lehibe notarihin’ny Rév. Todd McGregor niaraka tamin’ireo mpianatra evanjelista sy vondrona tanora avy amin’ny Diosesy Canterbury notarihin’ny Rév. Colin Preece sy Dr Zoe izay tompon’andraikitra ny fampandrosoana sosialy.

2006- Natsagana ny  Diosesy misionera Toliara tao anatin’ny Diosesin’Antananarivo izay teo ambany fitarihan’ny Arseveka Remi RABENIRINA. Ny tanjona dia ny fananganana ny Diosesy vaovao.

2007- Niverina nonina teto Madagasikara ny Rév. Dr Todd Mc Gregor sy ny vadiny Rév. Dr Patsy Mc Gregor. Nisy fiangonana 11 sy klerjé telo ary evanjelista dimy tao amin’ny faritry ny misiona.  

2008– Ny volana Febroary voavidy ny tany 1 ha izay hametrahana ny katedraly sy  ny trano fonenan’ny Eveka.

Nisy fiangonana telo vita orina sy notokanana, dia ireto izany :

  • Santa Rehetra, Morondava ny 1er Novambra
  • Santa Andrea, Mahabo ny 8 Novambra
  • Trinite Masina, Saaraha ny 29 Novambra

2009- Tonga nanomboka ny asa tany Taolagnaro ny Rév. RATSIMAVO Andriamahenina Dieu Donné.

Voavidy koa ny tany fanampiny ho an’ny Katedraly ary nanomboka ny asa fanorenana tamin’ny volana oktobra.

2011- Vita orina tao amin’ny faritry ny katedraly ireto foto-drafitrasa ireto: ny trano fonenan’ny mpiasa, trano natokana hianarana misy birao roa sy efitrano fianarana iray ary efitrano fivoriana lehibe iray. Ireo dia notokanana ny 7 mey 2011.

Notokanana ny 4 desambra koa ny « dortoir » izay mahazaka olona 48.

Ireto fiangonana efatra ireto koa dia voaorina sy notokanana nandritra ny taona:

Ambohitsabo: Fiangonana Santa Filipo, notokanana ny 8 Mey

Tolagnaro: Fiangonana Santa Gregoir, notokanana ny 1 Mey

Tsimahavaokely : fiangonana Santa Paoly, notokanana ny 27 aogositra

Andranovory: Fiangonan’I Kristy, notokanana ny 25 desambra

2012- Ny « Gathering Place » an’ny Eveka (trano fonenana sy birao) dia vita orina ny 3 mars ary ny tranon’ny mpiambina dia vita ny volana jona. Vita tokana koa ny fiangonana Santa Misely ao Morombe.

2013- Ny trano fonenan’ny doyen koa dia vita ny volana janoary

Ny 21 avrily, dia nitsangana ny Diosesy Toliary avy tao amin’ny Diosesin’Antananarivo. Ny Rév. Dr Todd A. McGregor no napetraka ho Eveka voalohany teo amin’ny Diosesy Toliara.

2014- Nanomboka ny volana oktobra ny fanorenana ny katedraly St Patrika Andranomena Toliara.

2016- Notokanana ny 13 marsa ny katedraly St Patrika.

Notokanana ny 30 novambra ny fiangonana St Andrea ao Morombe. Teo dia feno 70 ny fiangonana teo an’ivon’ny Diosesy Toliara.

Notokanana koa ny tranon’ny vehivavy izay miorina ao anaty faritry y katedraly ny 4 septambra, izany dia notanterahana nandritra ny kaonferansa nasionaly an’ny renin-jaza izay natrehan’ny Eveka telo (3).

2017- Notokanana ny 12 septambra ny fiangonana Santa Davida ao Miandrivazo, teo koa ny fiangonana Anjely Rehetra ao Ankiliabo –Mahabo  izay notokanana ny 16 septambra. Ary napetraka koa ny vatofehizoro fananganana ny fiangonana eo amin’ny paroasy Fenoarivo ny 14 oktobra.

2018- Voapetraka ho Eveka mpanampy teo anivon’ny Diosesy Toliara ny Rév. Samitiana Jhonson RAZAFINDRALAMBO ny 25 febroary. Voatendry ho mpandrindra ny Fanabeazana eo amin’ny Diosesy koa i Neny Holy Vadiny. Jereo ato ireo sary

2019- Ny Rév. Remamy Arisoa Nolavy Osoro, prebytera vehivavy natao ordinasiona voalohany teto amin’ny Diosesy, ny 25 Aogositra.

Io taona io koa no nanaovana ordinasiona an’i:

Rév. Tsiavandeza Gaston ho diakona

Rév. Lahitody Jean Florent ho diakona maharitra

Ary Rév. RAFANOMEZANTSOA Ferdinand Benjamin ho diakona maharitra

Natao koa ny fanirahana ireto Evanjelista ireto:

Bon Coeur, Hanitra, Jean Michel, Crise, Alfredino, Jean Frédéric

2020- nahatratra 108 ny isan’ny fiangonana mandrafitra ny Diosesy.

Tapitra ny 31 desambra 2020 ny maha Evekan’ny Diosesy an’i Mgr Todd sy Rév. Patsy Gregor, izay mpanorina ny Diosesy Toliara. Niverina any Florida Etazonia izy ireo ka nanohy ny asa maha misionera azy Mgr Todd ary Rév Patsy kosa miandraikitra ny fitaleavana ny fanofanana ara-panahy ao amin’ny fiangonana St Mary’s Episcopal Church, Stuart, FL, izay mifantoka amin’ny fitomboana ara-panahy « multigénérationnelle », ary mametraka tsindrim-peo ho an’ireo tanora sy ny fianankaviana.

2021- Nandritra ny fotoana tetezamita ifidianana eveka vaovao, dia ny Vikera Jeneraly Rt Rév. Dr Samitiana Jhonson RAZAFINDRALAMBO no niandraikitra ny fitantanana ny Diosesy.

Ny 14 Marsta 2021 no voafidy ho Evekan’ny Diosesy Toliara ny Rt Rév. Dr Samitiana Jhonson RAZAFINDRALAMBO

Napetraka teo amin’ny seza fiketrahany ny Rt Rév. Dr Samitiana Jhonson RAZAFINDRALAMBO ny 25 Aprily, izay  Eveka faharoa an’ny Diosesy

Septembra 2021- Voatendry ho rektora ny Sekoly Ambony Téolojika Santa Patrika ny Rév. Berthier Lainirina

Ny 26 Septambra 2021, notokanana ny fiangonana Santa Paoly Beabo Ambovombe.

Ny 7 Novembra 2021– Voatendry ho chanoine (mpanolontsaina maharitra) ny Diosesy : ny Vénérable RANDRIANAVALONA HERY Tiana, Doyen RATSIMAVO Andriamahenina Dieu Donné, Doyen RANDRIANAVALONA Lovaniaina Faby ary ny Doyen RADONIAINA Noel Nirina Adolphe.

Notendrena ho Doyen ny Rév. Victor OSORO izay nitondra ny Distrika vaovao  Sakaraha.

Natao ny ordinasiona an’ny Rév. Gaston Tsiavandeza ary notendrena ho Sous-doyen an’ny distrika vaovao Ambovombe.

Natao koa ny ordinasiona ho diakona an’ny Evanjelista Antsa sy ny Katekista Zafy.

Nirahina ho evanjelista i : Zarasoa, Tahora, GastonTsiagnangara  ary Jean.

Ny 3 Avrily 2022 – Natao ny ordinasiona an’ny Rév. LAHITODY Jean Florent.

Ny 10 April 2022 – Natao ny ordinasiona an’ny Rév. FANOMEZANTSOA Benjamin Ferdinand. Natao koa ny ordinasiona ho diakona an’ny Evanjelista RAMIANDRISOA Clovis, VANO Lazara et Julien.

Hita ao atsimon'i Madagasikara