Ireo asanay

Ao anatin’ny Fiombonam-be anglikana, ny Diosesy Toliara dia nametraka fanamby amin’ny fanajana ireo marika dimy maneho ny fanamby iraisan’ny fiombonam-be anglikana ary koa ny hevitra fonosin’ny « mission holistique » an’Andriamanitra. Ny asan’ny fiangonana dia ny an’i Kristy koa.

  1. Manambara ny filazan-tsaran’ny fanjakan’Andriamanitra
  2. Mampianatra, manao batisa ireo mpino vaovao
  3. Mamaly am-pitiavana ny filana mahaolona
  4. Miezaka manova ny rafitra tsy ara-drariny eo amin’ny fiaraha-monina, mandà ny herisetra rehetra ary mitady ny fihavanana sy fampihavanana.
  5. Miasa ho ann’y fiarovana ny voahary, manohana sy manavao ny aina eto an-tany.

Ny diosesy Toliara dia mahita fa tena ilaina ny ministera ho an’ny fitoriana ny filazantsara, fanabeazana sy ny fampandrosoana ara-toekarena ary ny fitantanana ny tontolo iainana, mba ahafahana manome fanantenana ireo vahoaka ao Madagasikara.

Maro ireo mpiara-miombonantoka avy any ivelany ary maneran-tany no manampy ireo ministera ireo amin’ny fanatanterahana ny asany.

Hita ao atsimon'i Madagasikara