FIAHIANA ANKIZY : MANORATRA

Ny fanoratanao andalan-tsoratra fitsivitsy ho an’ny zaza inatohanao dia tena zava-dehibe ho azy. Ny taratasim-piantohana dia tena manana ny lanjany. Arakaraka ny fandrafetanao fifandraisana no amoronanao koa rohy tsy manan-tsahala amin’ny zaza inatohanao sy ny manodidina azy.

Jereo koa ny Pejy FIAHIANA : FIFANDRAISANA.

Ahoana ny fomba fanoratana ?
Raha manoratra ianao dia tsy voatery ho teny sarotra no atao na koa soratra lava : lazao fotsiny ny momba anao, ny fianakavianao, ny toeram-ponenanao, ary koa ny toetr’andro. Meteza ho mpanome fanantenana. Afaka mametraka fanontaniana koa. Afaka manampy sary ianao ary ny filazana izay voarakitra ao anatiny.

Ahoana ny fandefasana ny taratasy voasoratra ?
Afaka ataonao koa anefa ny mandefa mivantana ny taratasy sy ny sary raha tsy manana fahafahaba hampiasa e-mail ianao na koa taratasy sy sary antaratasy no tianao alefa. Azonao atao ary ny mandefa izany amin’izao adiresy manaraka izao:
Marcy Allen, 9676 Vineyard Court, Boca Raton FL 33428, États-Unis

Amin’izany dia izahay no hanao ny scan mandefa azy mail any/eto Madagasikara; satria izay no haingana sy azo antoka ny fahatongavany. Izahay no hiandraikitra ny impression ary hanome azy ny ankizy izay iantohanao ao Madagasikara mba hotazoniny.

Rahoviana no afaka manoratra ?
Tsara raha indroa na intelo isan-taona no manoratra nefa tsy voafetra izany fa araka izay fanirianao.

Azo atao ve ny mandefa « carte »?
Tena azo atao, indrindra rehefa Noeny sy ny tsingerin-taona nahaterahana! Afaka ataonao “scan” ny carte any amin’ny adiresy e-mail ity toliarachild@gmail.com. Raha tsy afaka manao scan ianao dia afaka alefana mivantana amin’ny adiresin’I Marcy Allen etsy ambony ary izahay no handefa ny scan any antoerana.

Mety hahazo valiny ve aho ?
Eny, afaka mahazo ny vaovao mahakasika ny zaza iantohanao ianao indroa isan-taona.

Sary toy inona no alefa e-mail?
Azonao atao JPG na PDF ny sary

Ahoana no ahafantarana ny adiresin’ny andefasana taratasy?
Tsara raha soratana mazava ny ANARANA sy ny NUMERO DE REFERENCE an’ny zaza iantohana raha handefa taratasy na koa e-mail.

Hita ao atsimon'i Madagasikara