Fampandrosoana ara toekarena

Anisan’ny laharampahamehana eto anivon’ny Diosesy Toliara ny lafiny fampandrosoana ara-toekarena sy fanofanana arak’asa, izay entina mandray anjara amin’ny ady amin’ny fahantrana mitoetra eo vahoaka Malagasy (Atsimo). Ny Diosesy Toliara sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy dia miasa amin’ny fomba samihaha mba itadiavana vahaolana maharitra amin’ny fahatarana ara-toekarena, ny tsy fanjariantsakafo ary koa ny tsy fahampiandrano fisotro.

Atoa Ialy Cael, izy no mpandrindra ny fampandrosoana ara-toekarena eto amin’ny Diosesy ary koa mitarika amin’ny fitadiavana paik’ady amin’ireo tetikasa madinika sy ireo « activités » miteraka asa.

Ny departemantan’ ny fampandrosoana dia mizara sokajy roa :

Fampandrosoana ara-toekarena izay tarihan’ Atoa Gasthé Alphonse RATOVONAINA

Fampandrosoana ara-tsosialy izay tarihin-dRamatoa Razaiarisoa Françoise Olga

Fampandrosoana ara-toekarena

Ny andraikitra voalohany ho an’ny departemanta fampandrosoana sokajy ara-toekarena dia ny fiantohana ny loharanom-bola maharitra eo an’ivon’ireo Parosy sy ny Disosesy. Marihina fa ny 60% vola miditra amin’ny tetik’asa efa mandeha dia entina manangana tetik’asa vaovao indray.
Ireto manaraka ireto ny asa tanterahina:

  • Fanorenana sy fikojakojana ireo trano ahofa
  • Fijerena ny fampiasana araka ny tokony ho izy ireo tanin’ny Diosesy sy ny fananany
  • Mikaroka ireo tetik’asa vaovao
  • Mitady ny fanampiana ho famatsiam-bola ireo tetik’asa

Nisy koa ny fampiasam-bola amin’ny fanangana trano fandraisam-bahiny ho fampidiram-bola ho an’ny paroasy sy ny diosesy. Hita fa mampidi-bola kokoa ity tetikasa ity mihoatra ireo hafa.

Fitokanana ny trano fandraisam-bahiny tao Ambohimahavelona-Jona 2020
Cheryl’s Place- trano fandraisam-bahiny ao anatin’ny faritry ny katedraly

Miara-miasa akaiky ny Diosesy sy ny Paroasy ao aminy amin’ny fampiroboroboana ireo tetikasa madinika ara-pambolena sy fiompiana izay loharanom-bola lehibe ho an’ireo paroasy. Misy koa ireo mpilatsaka antsitrapo izay miara-miasa amin’ny Diosesy amin’ny lafiny fampianarana mivarotra sy ny asa tanana.

Projet d’élevage de chèvres à Betioky

Fampandrosoana ara-tsosialy

Ny andraikitra voalohany ankinina amin’ny departemanta fampandrosoana sokajy sosialy dia ny fanampiana ireo vondron’olona marefo mba ho afaka miatrika ny fahasahiranana. Ireto manaraka ireto ny asa tanterahana amin’izany :

  • Fanomezana rano fisotra madio sy fampiasa andavan’andro
  • Fametrahana fanondrahana ho an’ny fambolena sy ny fambolen-kazo
  • Famatsiana sakafo mandritra ny hamehana (fanampiana amin’ny kere)
  • Famatsiana masom-boly (tahiry) ho fampiroboroboana ny fambolena
  • Famoronana asa, fanofanana arak’asa sy fanabeazana ary koa fitaizana ara-panahy ho an’ny vehivavy ao amin’ny ivon-toeran’ny vehivavy
  • Fanamboarana sy fizarana ireo kits Days for Girls na koa mivarotra izany
  • Fandaharan’asa WASH: rano, fidiovana sy fahadiovana. Ny WASH dis sehatra fampandrosoana iraisam-pirenena izay misahana ny rano madio sy ampy, fitantanana ireo loto sy fametrahana toeram-pidiovana.
Ces réservoirs de Tsihombe contiennent chacun 1000 litres lorsqu’il pleut.

Ny Foibem-behivavy dia manana mpandrindra mpanampy amin’ny fotoana feno ny Days for Girls -Mlle Odette RAHARISOA

Hita ao atsimon'i Madagasikara