FITANTANANA NY TONTOLO IAINANA

Izahay dia mifototra amin’ny  voalazan’ny baiboly izay manambara antsika ho mpiahy sy mpitantana ny zava-boaharin’Andrimanitra. Araka ireo iraka 5 an’ny fiombonam-be anglikana, izahay dia miezaka mitahiry sy miaro manontolo ny zava-boahary, ary koa manao tantsoroka amin’ny fanavaozana ny aina eto ambony tany. Isika dia nomena andraikitra hampiasa, hiaro ary hikolokolo ny fitantanana maharitra ny tanintsika, ny rano ary koa ireo otrikery hafa amin’ny tany.

Avy amin’ny alalan’ny fomba fiasa « holistique » ny fianarana baiboly, ny fanabeazana sy asa sosialy ary ara-toekarena, ; izahay dia mampiroborobo ny fandaharan’asa izay manamafy ny fanentanana sy fampiharana maharitra eo amin’ny fiainana andavan’andro amin’ny fambolen-kazo, fijerena ireo loharano maharitra ary fanapariahana ny fampiasana maharitra ny tany amin’ny famokarana. Ny fitantanana ny tontolo iainana dia mahakasika ny ambaindain’ny asa rehetra amin’ny iraky ny Diosesy Toliara ary ny departemanta fampandrosoana ny miandraikitra izany.

Fambolen-kazo tao Andranovory 2021

Hita ao atsimon'i Madagasikara