Fanabeazana

Ny fanabeazana dia fitaovana iray mba ahafahana manao mpianatra. Ary mba hahatanteraka izany andraikitra mpanao mpianatra izany dia misy ireo fiofanana mitohy izay afaka rantovona ao Toliara nanomboka ny avrily 2007.

Ny Diosesy dia nanokana tolo-piofanana mifanaraka amin’ny filan’ny olon-dehibe sy tanora ary koa ankizy mba hanomezana azy ireo fahalalana sy fitaovana enti-miasa. Amin’izany ny diosesy dia manomana fiofanana sy atrikasa manerana ny faritra, misy koa ny fiantohana ireo ankizy mba ahafahan’izy ireo miditra antsekoly.

Ny mamaka ao amin’i Jesoa izay niorina ntany Angletera sy Tanzania tamin’ny aogositra 2017, dia manana tanjona mba hanofana ireo mpampianatra Sekoly Alahady.

Ny Sekoly Biblika Santa Patrika ao amin’y faritry ny katedraly Andranomena Toliara no anofanana ireo mpianatra ho evanjelistra ary koa ireo ho diakona.

Misy koa eo akaikiny ny trano kilasy mandry ho an’ny mpianatra.

Maro ireo mpitsidika avy any andafin-driaka mitsidika ny diosesy izay tonga mizara ny fahalalany, ny fitiavana sy ny fahaizana ny fianarana ny tenin’Andriamanitra, ny vavaka fanasitranana, fifantohana mangina, nahandro, zaitra, ny fahaizana informatika, ny zaridaina, mitantana orinasa madinika, sns.

Conférence des Disciples 2024

Ireo sekoly eto amin’ny Diosesy

Sekoly Manamby

Misy koa ny programa fiantohana (parrainage) ho an’ny mpianatra izay iandraiketan’ny Departemanta Fanabeazana. Izany dia ahafahana miantoka zaza amin’ny fianarany hahatonga azy ireo hiala amin’ny fahantrana ary hanatsara ny fari-pahaizany indrindra moa fa ny fahafahany miditra amin’ny sehatry ny asa.

Sekoly Alahady : Ny Rév. Nolavy dia nanoratra ny faahavitrihana sy ny maha zava-dehibe ny fampianarana sekoly alahady eo anivon’ny diosesy.

Hita ao atsimon'i Madagasikara