Ao anatin’ny toerana misy ny Diosesy Toliara, ao Andranomena Toliara II, no miorona ny ivontoerana ho an’ny vehivavy.
Notokanana tamin’ny 4 septambra 2016 ny ivontoerana, nandridra ny kaonferansa nasionaly ho an’ny vehivavy ary Eveka 3 no tonga nanatrika izany.



Trano Filongoa ny anarana entin’ny ivontoeran



Mpandrindra mpanampy ao amin’ny Foibem-behivavy sy ny DfG i Rev. Nolavy, ary izy no manara-maso ny asan’ny DfG, ao anatin’izany ny toerana hanaovana ny fitsinjarana sy ny fomba hivarotana tsara ny fitaovana.
Ramatoa Harisoa no manara-maso ny fanjairana DfG ary mitazona ny firaketana momba ny kaonty ho an’ny DfG sy ny hetsika hafa rehetra izay atao ao amin’ny Foibem-behivavy.



Vehivavy mianatra amboradara ao amin’ny Foibem-behivavy, nampianarin’i Neny Holy.


Efa vonona koa ny tranom-bahiny :

Ny hetsika isan-kerinandro ao amin’ny Trano Filongoa dia ahitana fampianarana Baiboly sy vavaka, fampianarana mahandro sy fanatanjahan-tena, ary koa ny asa tanana, fanjairana kojakoja Days for Girls, lobaka mpitondra fivavahana, chasubles, stoles sy albs ary sakafo ho an’ny fihaonambe, Synoda sns.

Vehivavy mianatra amboradara ao amin’ny Foibem-behivavy, nampianarin’i Neny Holy




